Entrée | 1 Naloan' ny fasana |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
Auteur |
4 Narivony Jean |
Texte complet |
5 Dia nody ny tafika fa avy nandresy, 6 Nirava ny toby, 7 Ka heno nanako ny antsa misesy 8 Narahina hoby. 9 'Reo foloalindahy nomban-Janahary 10 Nirehi-pamindra 11 Tsy resy tan' ady sy tsara mpirary 12 Ka mirana indrindra! 13 Somebika faly ny tao an-tanàna, io 14 Nifampiarahaba. 15 Hatraiza hatraiza dia nisy korana 16 Nomban-tabataba. 17 Kanefa indrisy! tanatin' izany, 18 Rahanitriniala 19 Dia re nitoloko sy heno tomany, 20 Nilaoza-malala ! 21 Ravalo, hono, maty nanolotra ny ainy 22 Ho antoky ny ady, 23 Dia very ny toky nampanantenainy, 24 Ka ory ity vady; 25 'Lay hany domohina mamin' ny fony, 26 Nindaosim-papango; 27 Ny fiainana zary tsy sitrany intsony, 28 Fa feno farango. 29 Rehefa ho tapitra, hono, ny fetra 30 Aharetan' ny saona, 31 Dia tonga ireo efa naniry rehetra 32 Nitady hihaona. 33 Kanefa Rahanitra tsy mba nandray 34 Ny fitia kolokolo; 35 Nilaozan' ny vary ka mandrakizay 36 Tsy mila pisolo! 37 Niroso ny jono, nitranga ny vovo, 38 Fa tsy nahavoa; 39 Ny antitra trema, ny sidin-jatovo 40 Niseho avokoa, 41 Kanefa ny vola sy ny endrika kanto 42 Tsy nanana hery; 43 Nanoro niangavy ireo hanam-binanto 44 Fa tsy afa-nanery! 45 " Ny ahy, ny foko, ry dada sy neny, 46 Tsy ketsa nafafy 47 Ka ho haiko afindra ombieny ombieny, 48 Fa aleoko mihafy. 49 Ny ahy fitiavana latsaka anaty 50 Maningotra ny aiko, 51 Ka aoka hanaraka ilay efa maty 52 Tsy afaka an-tsaiko!" 53 Dia nofiny, hono, indray alina izay, 54 'Lay tiana eram-po 55 Nivoaka naloan' ny fasana indray, 56 Tsy simba na lo. 57 Dia tamy namafa ny tavany, hono, 58 'Zay feno tomany, 59 No sady nandrehitra ny afo voavonon' 60 Ny Fanantenany! 61 Kinanjo karazan' ny embona ihany 62 'Ty nofiny soa, 63 Fa indro' lay efa natelin' ny tany 64 Nitranga tokoa ! 65 Nitsaha-piavy' lay ora-mandriaka 66 Nanako-masoandro, 67 Nisava ny rahona ka nibaliaka 68 Ny taratry ny andro! 69 Tsy maty Ravalo, fa nony naratra 70 Dia lasan-ko babo, 71 Ka tonga tantanan' izay olona antra 72 Mba nety nitsabo. 73 Rehefa vimbinin' ilay Fitondrana, 74 Tsy misy ahina, 75 Ka indro fa tody eo an-tany nialany 76 Ravalonirina ! 77 Ny tena fitiavana, hoy aho mantsy, 78 Dia mandrakizay; 79 Voarohin' ny tady tsy tapaky ny antsy 80 Ny fo mifandray! 81 Ny senton' ny lavitra mety ho heno, 82 Miampita tokoa 83 Rehefa fitiavana iray no mameno 84 Ny fon' olon-droa! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |